Antenimieran’ny Varotra sy Indostria: hamerina ny lazan’ny dipoavatra menan’i Bongolava ny CCI

Ny dipoavatra mena (baie rose) no voalohany tamin’ny fampidirana vola vahiny ho an’ny faritra Bongolava. Anisan’ny iraka ho tanterahin’ireo mpikambana maharitra vaovao ao amin’ny CCI Tsiroanomandidy ireo ny famerenana an’izany vokatra izany amin’ny toerana sahaza azy.

Teo anoloan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy no nanaovan’ireto mpikambana tarihin’ny filohany Dera Andriamihaja Razafiniarivo fianianana androany Alakamisy 20 Aprily 2023. Hiasa mandritra ny 2 taona eo anivon’ny CCI Bongolava izy ireo.

Fotoana nanamafisan’ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra fa “ho masoivoho, tsy ho ato anatiny ihany fa ho masoivoho any ivelany koa” ireo mpikambana maharitra ao amin’ny CCI ireo.

Nampitahain’ny Minisitra amin’ny lavanila, jirofo, letisia na kakao ny dipoavatra mena. Voalohany indrindra dia mila aroavana ny tantsaha. Izany no antom-pisian’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria. “Masoivoho hanondrana sy hivarotra ny dipoavatra mena any ivelany ianareo”, hoy izy.

Vous aimerez aussi...