Antenimieran’ny varotra sy indostria: tafapetraka amin’ny toerany ireo mpikambana maharitra vaovao ao amin’ny CCI Antsirabe, voafidy koa ny birao mpitantana.

Nanao ny fianianany ny Zoma 16 Jona 2023 lasa teo ireo mpikambana maharitra vaovao eo anivon’ny CCI Antsirabe.
Notanterahina nandritra io fivoriam-be io ny fifidianana izay handrafitra ny birao vaovao sy ho solontena any amin’ny Federasionan’ny CCI ary ireo ho mpikambana amin’ny CCGB (Vaomiera mpanara-maso sy mpitantana ny teti-bola).
Lany ho filohan’ny CCI Antsirabe Andrialalanirina Anselme Antonio ary miisa 11 ireo mpikambana ao amin’ny birao vaovaon’ny CCI Antsirabe.
Nanatrika izao fotoana izao moa ny avy ao amin’ny DPP/MICC.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...