Asaramanitra

« Madagasikara mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana ». Fizaràna Nofonkena mitam-pihavanana no nentin’ny Minisitra Edgard RAZAFINDRAVAHY niara-paly tamin’ny mpiasan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), ho fankalazana ny tsingerin-taona faha-64 n’ny niverenan’ny Fahaleovantena. Hafaliana no nandraisan’ny mpiara-miasa izany tetsy Ambohidahy omaly Alatsinainy 24 Jona 2024.
Notolorana mari-pankasitrahana koa ireo izay andeha hisotro ronono.

Vous aimerez aussi...