Fidinana fanaraha-maso natao tetsy Anosibe sy Ambodin’Isotry

Fanafody hahositra amin’ny hoditra miisa 3800 efa lany daty tra-tehaky ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC) eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana
Sarona tamin’ireo mpamongady anakiroa tetsy Anosibe sy Ambodin’Isotry ireo fanafody hahositra amin’ny hoditra efa lany daty ireo nandritra ny fidinana fanaraha-maso nataon’ny ekipan’ny DPC. Fanafody hahositra maro karazana izay tsy vitany hoe lany daty fa misy amin’izy ireo no mbola nasiana daty hosoka ihany koa. Nogiazina avy hatrany ireo fanafody mampidi-doza ho an’ny mpanjifa ireo ary efa nisokatra ny fanadihadiana mikasika ny loharano nipoiran’izy ireo.
Manamafy hatrany ny Minisitera mba ho mailo lalandava isika mpanjifa rehefa mividy zavatra hanamarina ny soratra eo amin’ny fonosana.

Vous aimerez aussi...