Atsimo atsinanana

Nampihaonin’ny DRIC ireo mpandraharaha sy mpamboly lavanila sy jirofo hanatsaràna ny fiaraha-miasa. Hanana Ivon-toerana fanaraha-maso ny kalitaon’ny vokatra fanondrana koa ny Faritra.

Nifanatona mivantana ireo mpamboly lavanila sy jirofo sy ireo mpandraharaha nidinika momba ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’izy ireo. Nisy koa ireo mpandraharaha avy amin’ny toerana hafa toy ny avy any Toamasina nampidirina mivantana tamin’ny fivoriana ampitain-davitra. Ny Alakamisy 23 Mey 2024 no nanatanterahan’ny Fitalevam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Atsimo Atsinanana ny fampihaonana tao Farafangana. Nanatrika izany koa ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny, ny avy ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) ary ny Tetik’asa PIC3 izay mpiara-miombon’antoka.
Nohararaotin’ny DRIC nanazavana ireo fepetra takiana amin’ireo vokatra fanondrana roa ireo fa indrindra ny ezaky ny fitondram-panjakana amin’ny fikarohana ireo vahaolana rehetra mahakasika ny lavanila.
Ny Zoma 24 Mey 2024 koa no napetraka ny vato fototra ho fanombohan’ny asa fanorenana ny Trano mirefy 300 metatra tora-droa izay ahitàna ny birao hiasan’ny Komitim-paritry ny Lavanila, ny Vovonana Jirofo ary toerana hahafahana mitsirika ny kalitaon’ ny vokatra mivoaka izay iandraiketan’ny  » Service du contrôle de Conditionnement  » eo anivon’ ny Fitaleavam- paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) ary hisy ny fampitaovana rehetra ilaina amin’ izany. Ny kalitaon’ny vokatra fanondrana indrindra ny jirofo sy ny lavanila ary ny kafe no anisan’ny harahi-maso eo amin’ity Ivon-toerana ity.
Ny tanjona moa dia ny hanatsaràna ny kalitaon’ ny vokatra fanondrana avy any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana, mba hanamafisana ny fitokisan’ireo mpandraharaha mampiasa vola sy hampiasa vola any amin’ny Faritra.

Vous aimerez aussi...