Dian’ny filoham-pirenena tany Toamasina

Milina ODOF iray avy natolotra ny distrikan’i Toamasina I sy ny distrikan’i Toamasina II
Fanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka ny fisitrahana ireo orinasa ODOF (One District One Factory) noho izy mamorona asa mivantana na tsy mivantana,mamaha olan’ny tantsaha mpisehatra amin’ny fambolena voankazo. Antony nanoloran’ny Filoham-pirenena ny milina fanamboarana savony ho an’i Toamasina I sy fanodinana voankazo ho ranom-boankazo ho an’i Toamasina II.
Ampahibemaso, teo anoloan’ny tranon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Toamasina (CCIT) no nanatanterahana izany ny Sabotsy 25 Mey 2024.
Hahazo tombontsoa amin’izao fametrahana Taninketsa Indostrialy any Toamasina II izao ny kaoperativa miisa 39 misehatra amin’ny fambolena voankazo izay mamokatra letisia 8.400 taonina, voasary 1.000 taonina, mananasy 3.000 taonina, akondro 13.500 taonina isan-taona. Hampihena ny vidin’ny savony izay entana anisan’ny tena ilaina amin’ny andavanandro koa ny orinasa ODOF mpanamboatra savony ao Toamasina I.

Vous aimerez aussi...