Fahatsiarovana ny andron’ny 29 Marsa 1947

?? ????? ???? – ?? ????? ????: Notsiahivina manokana androany ny faha 77 taonan’ny tolom-panafahana nataon’ireo maherifon’ny firenena, lavo ho an’ny fitiavan-tanindrazana. Nomarihana manokana tamin’ny fametrahana fehezam-bonikazo sy famelomana ny afo tsy maty teo amin’ny fasan’ireo maherifo teny amin’ny Mausolée Avaratr’Ambohitsaina notanterahan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izany andro manan-tantara izany. Nampitaina tamin’ireo tanora, taniketsan’ny tolom-panafahana ihany koa, ny fanevan’ny fitiavan-tanindrazana ho mariky fanamafisana sy fanomezana hasina ireo ady sy tolona natao teto Madagasikara.
Taorian’ny lanonam-pahatsiarovana teny amin’ny Mausolée Avaratr’Ambohitsaina dia nitodi-doha avy hatrany any Ambilobe hamonjy ireo mpiray Tanindrazana niharam-boina taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Gamane ny Filoham-pirenena sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Governemanta.

Vous aimerez aussi...