Famatsiana eto antananarivo sy ny manodidina: Nilatsaka nanara-maso teny amin’ireo mpivarotra eny Ambohijanaka, Ambatofotsy ary Isotry ny ekipan’ny DPC

Vary Tsinjo 70 lasaka sy siramamy 4 lasaka no notsinjaraina teny amin’ireo mpivarotra mpaninjara teny amin’ireo toerana ireo ny Zoma 10 Febroary 2023 lasa teo.
Nitohy foana ihany koa ny fanaraha-maso ny vidin’entana. Marin-toerana ny vidin’ny menaka, lafarina sy ny vary nafarana. Mbola nisy ihany ireo mpivarotra nentanina hametaka hatrany ny vidin’entana sy hitaky ny faktiora rehefa mividy eny amin’ireo mpamongady. Nahitsy hifanaraka amin’ny vidy ara-drariny napetraky ny Minisitera ny vidin’entana sasany.
Talohan’io, ny Alakamisy 09 Febroary 2023, dia teny ny Mahazo sy Ankadindramamy indray no nahatazanana ny avy amin’ny DRICC Analamanga. Vary 79 lasaka sy siramamy 4 lasaka no lany teny. Nentanina hatrany ireo mpivarotra hampihatra ny vidiny tena izy 650Ar/kg ho an’ny vary ary 3800Ar/kg ho an’ny siramamy.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...