03 janoary 2022, Akon’ny fananganan-tsaina voalohany amin’ity taona 2022 ity.

 

“Taona ho an’ny FANORENANA ny taona 2022 amin’ny fametrahana ny TANINKETSA INDOSTRIALY” araka ny nambaran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany. Manodidina ny 60 ireo ozinina hatsangana amin’ny fanombohana ary ho avy tsy ho ela ireo milina hampandehanana azy ireo. Ho fampiharana ny Veliranon’ny Filoham-pirenena ihany koa, hatsangana amin’ity taona ity ny indostria mpamokatra simenitra, siramamy, menaka ary vokatra maro hafa. Tanjona napetraka ny hialan’i Madagasikara amin’ny fanafarana entana avy any ivelany izay mampakatra ny vidim-piainana, ary indrindra hiarovana ny vokatry ny tantsaha sy ny mpanjifa.”

Nitondra ny teny firarian-tsoa ho an’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny solontenan’ny mpiasan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana androany ary nanolotra fanomezana ho azy noho ny asaramanitra. Nisaotra ihany koa tamin’ny fizarana ireo fanomezana (vary, paty, lafarina ary entona fandrehitra) ho an’ny mpiasa tsy ankanavaka ny faran’ny taona teo.

Vous aimerez aussi...