Vondrona iraisam-pirenena momba ny varotra (OMC): Mandray anjara amin’ny fihaonan’ny minisitra any Genève i Madagasikara

Tanterahina ao Genève any Soisa nanomboka tamin’ny Alahady 12 Jona 2022 teo ny kaoferansa faha-12 eo amin’ireo minisitera avy amin’ny tany mpikambana ao amin’ny OMC. Manana solontena mandray anjara amin’izany i Madagasikara dia ny Talen’ny Varotra ivelany (DCE) sy ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC). Io fivoriam-be io no andinihana ireo teboka rehetra mbola tsy voavaha hatramin’izao amin’ny fifanarahana eo anivon’ny OMC. Nanamarika ireo rehetra nandray fitenenana fa “manana adidy amin’ny fitadiavana vahaolana amin’izao krizy ara-pahasalamana izao, amin’ny ady mitranga eo amin’ireo firenena roa, amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny OMC”. Marihina fa ifanarahan’ny firenena 164 mpikambana ao amin’ny OMC ny fanapahan-kevitra raisina rehetra.

Vous aimerez aussi...