Famatsiana ny mponina

Ho amidy eny amin’ny mpivarotra mpaninjara ny vary makalioka 800Ar ny kapoaka sy ny vary nafarana 750Ar.

Nametraka paik’ady hitsinjovana ny mpanjifa amin’izao vanim-potoana hidirana amin’ny maitso ahitra izao ny Minisitera (MICC) sy ny Orinasa SPM (State Procurement of Madagascar). Ho aterina eny amin’ireo mpivarotra mpaninjara eny amin’ny fokontany eto Antananarivo sy any amin’ireo distrika manodidina ny vary ahafahan’ny mponina misitraka izany amin’ny vidiny ara-drariny.

800Ar ny iray kapoaka amin’ny vary makalioka vokatra eto an-toerana eny amin’ireo mpivarotra enta-madinika ireo raha 750Ar ny vary nafarana avy any ivelany.
Ho any eto Antananarivo dia anisan’ireo fokontany hahitana izany vary izany Ambohitsoa, Namontana, Anosizato, Isotry, Ampasampito, Tanjombato, Ambatofotsy, Ankadikely, Ambohimanambola, Andavamamba, Anosipatrana, Ilafy ary Andohatapenaka.
Omaly Alakamisy 12 Oktobra 2023 dia nanaraka ny fiaingan’ny vary teny amin’ny trano fanatobian’entan’ny Orinasa SPM ho tsinjaraina eny amin’ny mpivarotra teny Ambohimanambola ny tompon’andraikitra avy amin’ny MICC.

Vous aimerez aussi...