Famatsiana ny mponina: Vary Tsinjo 109 kitapo no lafo teny amin’ny ireo mpivarotra 23 anelanelan’Andohatapenaka sy Ambohidratrimo

Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ny famatsiana VARY TSINJO ireo mpivarotra enta-madinika. Vary amidy amin’ny vidiny 650Ar/kapoaka. Omaly Alatsinainy 16 Janoary 2023 dia ireo mpivarotra manamorona ny lalana anelanelan’Andohatapenaka sy Ambohidratrimo indray no nanatanterahin’ny ekipan’ny DRICC Analamanga izany.

Aparitaky ny MICC sy ny SPM manerana ny renivohitra Antananarivo sy ny manodidina moa izany VARY TSINJO izany.

Sary DRICC

 

Vous aimerez aussi...