Famatsiana ny tsena sy vidin’entana: nifanakalo hevitra niaraka tamin’ny ekipan’ny Minisitera misahana ny Varotra ireo mpandraharaha ara-barotra (mpamongady sy mpanafatra entana) mikasika ny fifehezana ny vidin’entana sy ny fandrindrana ny famatsiana ny tsena.

Laharam-pahamehana ny fitsinjovana ny vahoaka manoloana ny vidin’entana. Nidinika niaraka ireo mpisehatra ara-barotra voakasika voalohany sy ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Anatiny (DCI), ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa ary ny DRICC Analamanga tamin’ity herinandro ity tao Ambohidahy. Nibahana nandritra ny fifanakalozana ny fandrindrana ny famatsiana maharitra ny tsena. Ho jerena miaraka ny anton’ny fiakaran’ny vidin’ny siramamy izay notsindriana manokana.

Naneho hatrany ny fahavononany ireo mpandraharaha ara-barotra ireo hifanome tanana amin’ny MICC ho fitsinjovana ny mpanjifa.

Teo ankilan’izay dia nisy ihany ko any fihaonan’ny ekipan’ny Minisitera tamin’ireo fikambanana miaro ny mpanjifa. Nohamafisina nandritra izany ny fanohizana ny fiaraha-miasa sy ny fanatsarana ireo fomba fiasa ho entin’ny roa tonta miara ny mpanjifa.

Sary DPC

Vous aimerez aussi...