Atrikasa fanomanana programa fanohanana ny PME
Ny atrikasa fanomanana programa fanohanana ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) hiarahana amin’ireo manam-pahaizana avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) dia tanterahina ny 03 sy 04 febroary 2020 ao amin’ny Hotel Colbert. Ity fihaonana amin’ny sehatra tsy miankina (vondrona, fikambanan’ny mpampiasa) ity dia manangana sehatra vaovao ho fampandrosoana ny fandraharahana Malagasy. Ity fifanakalozana ity dia mikendry hamantatra tetikasa mba hampitomboana ny famantsiam-bola ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) sy hanatsarana ny tontolon’ny orinasa ho an’ny sehatra tsy miankina Malagasy. Tsy misy isalasalana fa ny olana momba ny famatsiam-bola dia mampitohana ny fifaninanana manodidina ny sehatra tsy miankina. Ny BAD dia maniry ny hanohana sy hanampy ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) amin’ny alalan’ny programam-panohanana toy ny PME Business Linkage, sehatra iray izay hampifandray ireo PMEs amin’ny orinasa lehibe. Any amin’ny fiafaran’ity atrikasa ity dia hahafantatra ny filàn’ny sehatra tsy miankina amin’ny fampandrosoana ny BAD ary hametraka ny fandaharana mifanaraka amin’izany. Ny hetsika rehetra tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana ny fandraharahana dia mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny governemanta ary mifanaraka amin’ny tanjon’ny IEM.