Fampandrosoana maharitra

Manentana ny sehatra tsy miankina handray ny andraikiny ara-piaraha-monina tokony ho fitsinjovana ny zon’ny ankizy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC)
Manana anjara biriky amin’ny fandraisana andraikitra ara-piaraha-monina ny orinasa malagasy araka ny lalan-tsaina RSE (Responsabilité sociale des entreprises). Tafiditra anatin’izany andraikitra izany ny fanajana tanteraka ny zon’ny ankizy izay hoavin’ny firenena sy ny ankohonana. Nanohana ny hetsika fanolorana ny voka-pikarohana eo amin’ny asa sy sehatrasa sahanin’ny sehatra tsy miankina manoloana ny fanajana ny zon’ny ankizy omaly Alatsinainy 08 Jolay 2024 tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona ny MIC.
Nambaran’ny Sekretera jeneraly Vahinisoa Ranoelimanana Rasamoely nandritra ny lahateniny fa mampita tanteraka ity lalan-tsaina mivoy ny RSE sy ny fanajana ny zon’ny ankizy ity ny MIC eny anivon’ny indostria sy ny orinasa ODOF ary manara-maso ny fanatanterahana izany ho fanatrarana ny tanjona apetraky ny fampandrosoana maharitra.

Vous aimerez aussi...