Fampiroboroboana ny fandraharahana

Tanterahina etsy Antaninarenina ny Fihaonambe nasionalin’ny mpandraharaha andiany faha-5.

Roa andro misesy, ny 17 sy 18 Novambra 2023, etsy amin’ny Hôtel Le Pavé Antaninarenina ny hetsika hahitana varotra sy fampirantiana ary famelabelaran-kevitra arahina adihevitra. Fihaonam-be nasionalin’ny mpandraharaha karakarain’ny fikambanana Club des Entrepreneurs eo anivon’ny Madagascar Entreprises Développement Aina Vao. Tafiditra anatin’ny fankalazana ny Herinandron’ny Fandraharahana maneran-tany moa izany.
Ahafahan’ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany mifampizara traikefa, mifanakalo hevitra manoloana ireo tranga ara-toekarena sy ara-tsosialy eto amin’ny firenena ny hetsika.
Ny MICC izay miahy ny hetsika nanomboka tamin’ny andiany voalohany hatramin’izao andiany faha-5 izao dia mametraka ho laharam-pahamehana ny fanohanana ny sehatry tsy miankina. Ary indrindra mitantsoroka ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fandraharahana.

Vous aimerez aussi...