Fampiroboroboana ny indostria

Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo inspektera indostrialy momba ny fikarohana fandikan-dalàna.

« Mila apetraka tsara ny maha-inspektera indostrialy matihanina rehefa miantsehatra ». Tenin’ny Sekretera jeneralin’ny MIC, Ranoelimanana Rasamoely Vahinisoa Seheno izany androany Talata 18 Jona 2024 nandritra ny fanokafana ny atrikasa fanofanana ireo inspektera indostrialy ireo tetsy amin’ny efitrano fivorian’ny MEF Anosy. Ny hitondrana fanatsarana eo amin’ny kalitaon’ny asa sy ny vokatra azo no tanjona tamin’izao fampivondronana azy ireo izao.
Nampahatsiahivina ireo andinin-dalàna mifehy ny indostria toy ny fahazoan-dalana hamokatra sy hanodina, ny mikasika ny fanajana ny tontolo iainana ary ireo dingana tsy maintsy arahina mialoha sy mandritra ny fanatanterahana ny fisavana ireo indostria samihafa. Miasa ao anatin’ny mangarahara ary mampahafantatra sy manadihady raha toa ka misy ny fandikan-dalàna ataon’ny orinasa indostrialy.
Manana andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny indostria ny inspektera indostrialy.

Vous aimerez aussi...