Fampiroboroboana ny indostria

inspecteurs-des-industries

Inspektera indostrialy 31 mianadahy nahavita fianianana
Handray ny asany avy hatrany ireo Inspektera indostrialy vao nahavita fianianana tetsy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy tamin’ity Alatsinainy 24 Jona 2024 ity. Tsy hijanona fotsiny amin’ny fikarohana fandikan-dalàna izy ireo, araka ny toromariky ny Minisitra Edgard Razafindravahy, fa hanampy koa amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Hanoro hevitra sy hanao tantsoroka amin’ny mpandraharaha amin’ny fananganana sy fampihodinana ny orinasa ireto Inspektera indostrialy andiany vaovao ireto. “Eny an-tsaha, eny an-tanàna ianareo no hiasa fa tsy hijanona anaty birao. Any aminareo ny fanalahidin’ny fampiroboroboana ny indostria”, hoy ny Minisitra tamin’izy ireo taorian’ny fotoam-pitsarana nandraisana ny fianianany. Efa voaporofo ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana matoa nampidirina ho anisan’ireo andry iankianan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fampiroboroboana ny indostria.
51 hatreto ny isan’ireo Inspektera indostrialy nahavita fianianana. Maro amin’ireo efa amperin’asa no miparitaka any amin’ny Fitalevam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) samihafa toy ny any Atsinanana, Bongolava, Itasy, Anosy, Matsiatra Ambony.

Vous aimerez aussi...