Fampiroboroboana ny indostria ho an’ny tany mpikambana ao amin’ny SADC

Haranty any Harare Zimbabwe ireo vokatry ny Orinasa ODOF eto Madagasikara.
Mandavaka tsikelikely ny Tsena iombonana ho an’i Afrika Atsinanana sy Atsimo (SADC) ireo vokatra voaodina avy amin’ireo orinasa ODOF (One District One Factory). Eo amin’ny tranoheva MADAGASCAR MIC ODOF any Harare Zimbabwe no ahitana ireo vokatra malagasy ireo anatin’ny hetsika fanao isan-taona mandritra ny herinandro andiany faha-7, ny 28 Jolay ka hatramin’ny 02 Aogositra 2024. Ahafahan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) mifanakalo fijery sy fanao mahomby ary vahaolana vaovao amin’ireo mpandray anjara hafa koa ny fahatongavantsika any Zimbabwe. Ho resahana any an-toerana koa ny faharesen-dahatr’i Madagasikara momba ny fampiroboroboana ny indostria.
Misolo tena antsika malagasy amin’izao hetsika izao ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria (DGI) Njivatiana Rakotoarivonona, ny Talen’ny Fotodrafitrasa sy ny Fanavaozana (DII) Faraniaina Raharilala, ny avy amin’ireo mpahazo tombontsoa amin’ny ODOF, Andriatina Ratovondrahona. Miara-dalana amin’izy ireo koa ny Solontena maharitry ny ONUDI eto Madagasikara, Volatiana Rakotondrazafy.
Manohana antsika ka nahafahana nandray anjara amin’izao hetsika izao ny SADC, ny ONUDI ary ny Minisiteran’ny Indostria any Zimbabwe.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...