Fampiroboroboana ny indostria: naneho fahavononana hiara-hiasa tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny mpitantana ny IFC eto Madagasikara

Niasa nandritra ny 7 taona tany Etiopia ka nahavita nametraka faritra indostrialy maro tany an-toerana ny lehiben’ny IFC (International Finance Corporation) eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, Adamou Labara. Tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy omaly Talata 29 Aogositra 2023 no nilazany ny fahavononany hitondra ny traikefany eto amintsika.
Nohazavain’ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny indostria taminy, nandritra ny fiha onana tetsy Ambohidahy, fa ho fanatanterahana ny #Velirano 7 nataon’ny Filoham-pirenena dia apetraka ny ODOF (One district one factory). « Resy lahatra izahay fa tsy maintsy manomboka avy any ifotony ny fampiroboroboana ny indostria. Manodidina ny telopolo ireo indostria madinika tafapetraka tamin’ity taona ity”, hoy ny Minisitra. Hanodina ny vokatry ny tantsaha ahafantarana ny faritra isanisany ny Taninketsa Indostrialy ka nisy, ohatra, ny distrika nomena milina fanodinana tantely, nisy notolorana fanodinana voatabia… Fanirian’ny Filoham-pirenena ny hametrahana milina fanodinam-bokatra hatrany amin’ny kaominina.
Nahaliana ny Minisitra ny dingana vitan’i Etiopia ahafahana manatsara ny fametrahana ny Faritra ara-toekarena manokana sy Faritra indostrialy eto amintsika.
Nidera ny fanambin’ny fitondram-panjakana ny lehiben’ny IFC . Soso-keviny ny ahafahana mitsidika Tetik’asa sasantsasany ahitana ny fomba itondrana ny fifampizarana fahaiza-manao.
Miara-miasa akaiky kokoa amin’ny Sehatra tsy miankina moa ny IFC izay rafitra ao anatin’ny Banky iraisam-pirenena. Ny sehatra momba ny lamba no anisan’ny ahafantarana azy.

Vous aimerez aussi...