Fampiroboroboana ny indostria: nizara traikefa tamin’ireo mpiara-miasa aminy ny Minisitra Edgard Razafindravahy

Mpandraharaha ara-indostria niaina toe-javatra samihafa toy ny tsy fisian’ny herin’aratra, ny tsy fianteherana afa-tsy amin’ny herin’ny tena hampandrosoana ny asa fandraharahana, nanoro hevitra ny mpiara-miasa aminy eo anivon’ny MICC ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany Zoma 28 Jolay 2023 tany Ampefy.

Ireo tompon’andraikitra avy amin’ireo Fitaleavam-paritra sy Foibem-pitondrana eto anivon’ny Minisitera no nisitraka izany.

Nanentana moa ny Minisitra mba hiditra lalina hanampy ireo mpandraharaha ny mpiasan’ny Minisitera ho fanatanterahana ny Velirano faha-7 dia ny Fampiroboroboana ny Indostria eny ifotony. « Adidintsika ny mamantatra ireny mpandraharaha ireny isaky ny Faritra sy ny filàny, ahafahana manampy azy », hoy izy.

Andraikitry ny Fanjakana koa ny manampy ny Sehatra tsy miankina mba hivelarany. Tsy maintsy mifanaraka amin’izany rehetra izany ny politikam-panjakana hampiroboroboana ny fandraharahana.

Vous aimerez aussi...