Entona fandrehitra

Malalaka ny tsena eto amintsika, saingy misy ny sokajin’entana efa niarahana nidinika tamin’ny fanjakana ny fampiharana ny vidiny.

Anisan’izany ny entona fandrehitra nandraisan’ny fanjakana fepetra manokana mba hidinan’ny vidiny ho tombontsoan’ny mpanjifa.

Manoloana izany dia nihaona tamin’ny Tale jeneralin’ny Vitogaz Olivier Gasbarian ny minisitra Edgard Razafindravahy androany.
Tsy mbola tokony hisondrotra ny vidin’ny entona fandrehitra Vitogaz.

Anisan’ireo entana ara-barotra arahi-maso eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana ny entona fandrehitra noho izy isan’ireo vokatra fampiasan’ny mponina.

————————-

Gaz combustible

Le marché national est considéré comme étant un marché libre. Toutefois, le prix sur le marché de certains produits mis en vente nécessite une concertation avec le Gouvernement. Le gaz combustible figure dans la liste de ces produits pour préserver le bien-être de la population.

Le Ministre Edgard Razafindravahy s’est donc entretenu avec le Directeur Général de Vitogaz Olivier Gasbarian ce jour. La hausse du prix du gaz combustible Vitogaz n’est pas encore effective à l’heure actuelle.

Ce produit figure d’ailleurs parmi les produits contrôlés et suivis par le ministère à travers les descentes des commissaires et contrôleurs du commerce

Vous aimerez aussi...