Vaovaon’ny kaoperativa misongadina avy any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy Ihorombe

👉ALAOTRA MANGORO: Kaoperativa roa indray no tafatsangana omaly 30 Jona 2022. Ny Kaoperativa MENDRIKA ahitana mpikambana 9 dia misehatra amin’ny famokarana sy fivarotana zezika biolojika. Ny Kaoperativa AVORIA kosa, misy mpikambana 8 dia misahana ny famokarana sy fivarotana lohamenaka avy amin’ny sakamalaho. Notolorana mari-piraketana ara-panjakana izy ireo taorian’ny fampiofanana ireo mpikambana.
👉IHOROMBE: Tafajoro any amin’ny kaominina Ankily distrikan’Ihosy ny 29 Jona 2022 ny Kaoperativa FANIRY. Vehivavy avokoa ireo mpikambana 17 izay nomena fiofanana momba ny kaoperativa nandritra ny roa andro. Efa manana traikefa amin’ny fanodinana voanjo ho lasa menaka ity fikambanam-behivavy ity ary vonona hisitraka ny Tetik’asa TANINKETSA INDOSTRIALY.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...