Fampiroboroboana ny indostria: orinasa roa nanaovana fitsirihana ara-teknika alohan’ny fanomezana fahazoan-dalana

Dingana tsy maintsy tanterahina ny fanaraha-maso ny orinasa hitsinjovana azy sy ny tontolo manodidina azy. Vita izany vao miroso amin’ny fanomezana fahazoan-dalana ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC).

Tetsy Ambohidratrimo sy tany Mananjary ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fotodrafitrasa sy ny Fanavaozana (DII) no nanao fitsirihana orinasa 2 eo am-piandrasana fahazoan-dalana. Tsy iza ireo fa ny orinasa ARTE NOSTRA izay misehatra eo amin’ny fanodinana ny rofia sy ny orinasa FAIROILS izay mamokatra lohamenaka.

Sary DII

 

Vous aimerez aussi...