Fampiroboroboana ny kaoperativa: Maka ny traikefa alemà hanatsarana ny tontolon’ny kaoperativa eto Madagasikara ny DPE

Ny tanjon’ny “fitsidihana fifanakalozana” ataon’ny delegasiona avy eto Madagasikara any Alemaina dia ny ahazoana ny traikefa tsara ananan-dry zareo izay efa avo lenta tokoa sy ahafahana manapariaka sy mampihatra izany aty amin’ny firenentsika. Nanomboka ny 16 Febroary 2023 tany Nuremberg any Alemaina ny fitsidihana, tamin’ny alalan’ny fizahana ny Hetsika iraisam-pirenena BIOFACH 2023-VIVANESS 2023.

Kaoperativa maro avy amin’ny firenena samihafa no mandray anjara amin’izao hetsika izao. Mampiavaka ny Salon BIOFACH 2023 ireo orinasa sy kaoperativa manaja ny famokarana sy fanodinana amin’ny alalan’ny fomba »BIO ». Ireo kaoperativa mandray anjara amin’ny VIVANESS 2023 koa dia mpanodina vokatra fikoloana ny endrika amam-bika sy lohamenaka BIO avokoa. Maro ihany koa ireo mpampiasa vola tonga manatrika izao hetsika izao. Nitohy tamin’ny fitsidihana ireo kaoperativa isan-tsokajiny ny fandaharam-potoana ny ampitso.

Sary DPE

Vous aimerez aussi...