Fampiroboroboana seha-pihariana sakay « Bec d’oiseau » ato anatin’ny faritra Itasy: misokatra ny fandraisana ny taratasin’ ireo Kaoperativa maniry hamokatra sakay “Bec d’oiseau”

Ahazoana vokatra eo amin’ny 5t/ha ity karazan-tsakay ity ary azo ambolena indroa anatin’ny taona izy.

Ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahana ny fiofanana ara-teknika sy fampafantarana momba ity seha-pihariana ity tao Miarinarivo. Nisy avy hatrany ny fampiharana ny fiofanana tamin’ny fametrahana ny Vala fakantahaka teo anivon’ny zaridainan’ny DRICC Itasy izay nandraisan’ireo solontenan’ny Kaoperativa, ny Vovonan’ireo tanora Mpandraharaha (PJEI), ny ekipan’ny DRICC Itasy anjara.

Ampahatsiahivina fa efa vita ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa teo amin’ny faritra Itasy sy ny orinasa SIBAM ary ny tetikasa FORMAPROD ho fampiroboroboana ity seha-pihariana vaovao ity ao anatin’ny faritra.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...