Fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra ao anatin’ny faritra SADC: Navaozina ny fitsipika mikasika ny fanamarinana ny fiavian’ny entana (règles d’origine)

Telo andro no niadiana hevitra hanovana ny fitsipika momba ny fanamarinana ny fiavian’ny entana amin’ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo tany mpikambana ao amin’ny SADC. Ny Alarobia 1 ka hatramin’ny Zoma 3 Martsa 2023 lasa teo no nanatontosana ny atrikasa mikasika izany tany Johannesburg.

Fepetra arahana ahazoan’ny vokatra avy amin’ny firenena SADC miditra tsy mandoa habantseranana amin’ny firenena SADC hafa ny fanamarinana ny fiavian’ny entana. Nodinihana, araka izany, ny fanaporofoana ny fiavian’ny entana ary ny fifandraisan’ny lalàna SADC amin’ny an’ny faritra telo tonta (COMESA – SADC – EAC) sy ny faritra afaka haban’ny kaontinanta afrikana. Ny olana mantsy dia ny fanambarana entana eny amin’ny fadintseranana sy ny faktiora satria ao anaty faktiora iray dia mety hisy vokatra afaka miditra tsy mandoa habantseranana sy vokatra mandoa habantseranana. Eo ihany koa ireo milaza fa mila efa-bolana ny fanatanterahana ny fitsirihana ny “règles d’origine”, ny sasany milaza fa mila enim-bolana, ny sasany herintaona.

Ny tanjon’ny fanamorana ny varotra dia natao hikirakirana haingana ny entana eny amin’ny fadintseranana ao anatin’ny mangarahara sy hisian’ny fiaraha-miasa mahomby eny ka mba hihena ny vesatry ny mpandraharaha amin’ny famoahana sy fampidirana entana.

Nandravona ny dinika ny manampahaizana manokana nalaina hanao izany ka hakana fankatoavana amin’ny firenena mpikambana rehefa vita ny fandrafetana ny fanapahan-kevitra. Nisolo tena an’i Madagasikara tany Johannesburg DCE sy ny tompon’andraikitra voalohan’ny “règles d’origine” ao amin’ny fadintseranana.

Sary DCE

Vous aimerez aussi...