Fanatsarana ny tontolo fandraharahana: manamafy hatrany ny ezaka hisintonana sy hihazonana ny mpampiasa vola ny MICC

Misy ny fiaraha-miasan’ny Ministera miaraka amin’ny fikambanana ACP Legal Ocean Indien sy ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostrian’i Mayotte amin’ny fikatsahana izay fanatsarana ny tontolo fandraharahana izay. Tamin’ny alalan’ny fizarana fahaiza-manao araka ny lalàna amin’ireo efa am-perinasa aty amin’ny sehatra tsy miankina sy fanjakana ary koa ireo mpianatra lalàna mba ahafehezana kokoa ny lalàna mahakasika ny varotra eto amin’ny fari-dranomasina « Lakandranon’i Mozambika » no nisehoan’izany tamin’ity Sabotsy 1 Jolay 2023 ity.

Manampahaizana maro samihafa no nanao fizarana momba ny fanao ara-barotra eto Madagasikara sy ny fanaon’ny faritra Mozambika ary nahafahan’ny mpanatrika nahafantatra ireo mahaliana amin’ny fandaminana olana amin’ny alalan’ny fanelanelanana (« arbitrage » sy

« médiation ») izay rafitra mifameno amin’ny Fitsarana.

« Zava-dehibe ny fahafantarana ireo fomba amam-panao eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola ahafahana mahafehy hatrany sy mitondra fanatsarana amin’ny tontolo misy antsika satria i Madagasikara dia misokatra ary manome ireo fiarovana ilaina araka ny lalàna ho an’ny fampiasam-bola », hoy ny Tale misahana ny raharaha momba ny Lalàna eto amin’ny MICC, Vahinisoa Rasamoely.

Vous aimerez aussi...