Fandraharahana mifototra amin’ny sehatry ny fambolena: nisokatra ny Forum B2B etsy amin’ny Carlton Anosy

Anisan’ny andraikitra sahanin’ny MICC ny fanohanana sy fanaovana tantsoroka ny fanodinana ireo vokatra samihafa, araka ny lahatenin’ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria nandritra ny fanokafana ny hetsika Forum B2B tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly Talata 13 Jona 2023. Amin’ny alalan’ny Tetikasa toy ny Taninketsa Indostrialy sy ny PTASO no anampiany ny tantsaha ahafahana manodina ny vokany.
Nahompana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampiroboroboana ny fandraharahana mifototra amin’ny sehatry ny fambolena sy ny indostria mifandraika amin’izany ity andiany faharoa amin’ny Forum B2B ity. Ilaina mantsy ny fametrahana paikady sahaza sy mirindra ahafahana manatanteraka ny #Velirano 7 sy 9 dia ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Distrika 16 hatreto no efa nahazo ny anjara ozinina fanodinam-bokatra anatin’ny Tetikasa fametrahana ny Taninketsa Indostrialy. Hapetraka eo amin’ny velaran-tany 120 ha koa ny Saha indostrialy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tetikasa vatsian’ny BAD vola.

Vous aimerez aussi...