Fanjakana manakaiky vahoaka

Nidina teny anivon’ny kaominina nanazava ny asan’ny MICC ny Talem-paritra Alaotra Mangoro
Anjaran’ny mponina ao anatin’ny Kaominina Ambohiborimanga Distrikan’Ambatondrazaka no nanatanterahana ny hetsika (Tournée de Police Générale) iarahan’ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny tarihin’ny Prefen’Ambatondrazaka ny Talata 26 Septambra 2023.
Tamin’izany no nitondran’ny Talem-paritra (DRICC) Alaotra Mangoro fanazavana momba ireo tetik’asa sahanin’ny Minisitera hisitrahan’ny tantsaha tombontsoa sy ny mponina tombontsoa toy ny Taninketsa Indostrialy fanodinana voatabia ao Ambalabako Ambatondrazaka.
Manao tantsoroka amin’ny fananganana kaoperativa koa ny MICC hampiroboroboana ny seha-piharian’ny mpikambana.
Ho fiarovana ny mpanjifa dia nampahatsiahivin’ny Talem-paritra fa manara-maso ny varotra, ny fitaovam-pandanjana sy famarana any amin’ny faritra ny avy amin’ny DRICC hiadiana amin’ny fanararaotana sy ny fampakarana tsy ara-drariny ny vidin’entana.

Source: DRICC

Vous aimerez aussi...