Fanjifana

Ampy ny vary ao an-tsenan’i Toliara sady tsy misy ahiana ny kalitaony
Miasa tsy misy fitsaharana ny tompon’andraikitra ho fiahiana ny mpanjifa. Ireo mpivarotra ambongadiny sy mpaninjara ao an-tanànan’i Toliara tamin’ity Alahady 28 Jolay 2024 ity no nanaovana fitsirihana.
Niara-dalana tamin’ny fidinana ifotony araka izany ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) notarihin’ny Talem-paritra sy ny OMC Faritra notarihin’ny Prefen’i Toliara. Ankoatra ny teny an-tsena dia nisy koa ny fisavàna ny toeram-pitehirizan’entan’ny orinasa mpandray vary avy amin’ny faritra hafa hamatsiana ny mponin’i Toliara. « Mbola tsara avokoa ireo vary tonga ao Toliara », araka ny fehin-tenin’ny mpanara-maso.
Nanao fanentanana ny mpanjifa ao amin’ny Faritra moa ny Talem-paritra (DRIC) Atsimo Andrefana mba hanjifa am-pilaminana ireo entana ilaina andavanandro. Tsy ananana ahiahy ny kalitaon’ny entana amidin’ireo mpivarotra satria hentitra ny fanaraha-maso.

Vous aimerez aussi...