Fanjifana – vary

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana miaka-bokatra ny ao Imerintsiatosika.

Mitobaka tanteraka ankehitriny ny vary ao Imerintsiatosika ary tsy misy hatahorana ny tahiry. Maro karazana ny vary vokatra eto an-toerana no azon’ny mpanjifa isafidianana : vary botry (semence), vary an-tanety, vary tsipala… Tafidina 1500 ariary ny kilao amin’ny vary akotry raha mbola 1630 ariary izany ny herinandro lasa teo. Hatramin’ny 2350 ariary kosa ny kilao ny vary fotsy raha 2500 ariary ny vary gasy mena manalalondo ao an-toerana. Nanamafy izany fidinan’ny vidim-bary izany ihany koa i Ravaomanantsoa Tahina amin’izao fararano izao ary mbola miandrandra vidim-bary milatsaka hatrany hoy izy.
« Ary mbola hidina io vidiny io satria vanim-potoana miaka-bary isika amin’izao », hoy ny mpandraharaha tao Imerintsiatosika, Rakotonjanahary Urbain izay efa 30 taona nihoatra izao no nisehatra tao anatin’ny raharaham-bary.
Nidina teny ifotony niaraka tamin’ireo solontenan’ny fikambanan’ny mpanjifa ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC) sy ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Anatiny (DCI) nanamarina izany fitombahan’ny vary ao Imerintsiatosika izay sy ny fidinan’ny vidim-bary ao an-toerana. Mitsinjo hatrany ny tantsaha mpamboly isika hoy ny Tale misahana ny Mpanjifa Dina Rakotonirina, mba tsy ho faty antoka izy ireo ao anatin’izay varotry ny vary izay.

Vous aimerez aussi...