Fanomezana sehatra ny mpandraharaha: hanomboka ny 26 Oktobra 2023 ny SAEM (Salon des Acteurs Economiques de Mahajanga)

Haharitra efarana ny Hetsiky ny mpisehatra ara-toekarena ao Mahajanga na SAEM, andiany voalohany. Fampihaonana ny tolotra sy tinady hitsinjovana indrindra koa ny mpamboly sy ny mpitrandraka harena an-dranomasina izany.
Amin’ny maha-Minisitera mpiahy ny SAEM ny MICC dia nasongadin’ny Talema-paritra (DRICC) Boeny, nandritra ny lanonam-pampahafantarana ny hetsika afak’omaly ny andraikitra lehibe sahanin’ny Minisitera amin’ny fampiroborobona ny sehatra tsy miankina.
« Fambolena sy harena an-dranomasina, fanoitry ny fampandrosoana ny faritra Boeny », no loha-hevitry ny SAEM andiany voalohany.
Tranoheva 100 eo ho eo no hampirantiana vokatra sy ny momba ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ary ny jono, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Mahajanga. Fanamby, hoy izy, ny hanatsarana ny teknikam-pamokarana any Boeny, ka handray anjara ireo fandaharan’asa misahana manokana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra misehatra ao amin’ny faritra.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...