Fanondranana eo amin’ny tsenam-barotra Amerikana sy Afrika Atsimo (AGOA)

????????? ?????????? ???????? ?? ????? ???????????? ?????? ?????? ??????? ????? ??? ???? ????????????? ??? ????’?? ??????? ??????.

“Fampiroboroboana ny vokatra ifotony sy fampiakarana ny harin-karenan’ny Faritra”, isan’ny tanjona nanatanterahana ny Atrik’asa nanomboka ny 19 hatramin’ny 21 martsa 2024 niompana tamin’ny fampahafantarana ireo fepetra sy fomba hanondranana entana makany Amerika ihany koa ireo mpandraharaha. Taorian’ny Faritra Amoron’i Mania dia nitodi-doha nakany amin’ny Faritra Menabe, ka tao Morondava no nitondra fanazavana sy fampianarana ho an’ireo mpandraharaha tany an-toerana ny tompon’andraikitra momba ny AGOA ao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Ivelany (DCE). Nozaraina boky mirakitra ny torolalana momba ny fanondranana ao anatin’ny AGOA ihany koa ireo mpandraharaha tao amin’ny Faritra.
Velom-bolo ireo mpandraharaha ny amin’ny fampahafantarana natao satria dia manampy azy ireo hampivelatra ny tsenam-barotra ary hampandroso ny fari-piainan’izy ireo ny fidirana eo amin’ny tsenan’ny AGOA.
Sary DCE

Vous aimerez aussi...