Fitsinjovana ny fahasalaman’ny mpanjifa: Ataon’ny any amin’ny faritra vaindohan-draharaha ny famokarana sira misy ioda

👉ANDROY : Hapetraka ny rafitra hitarika amin’ny famokarana sira misy ioda any amin’ny Faritra Androy. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa niarahan’ny UNICEF, ny MICC, ny DRS ary ny DRICC Androy nanatontosa tao Ambovombe ny 04 sy 05 Aogositra 2022. Nitohy tamin’ny fidinana ifotony nizahana ny zava-misy momba ny famokarana sy fanjifana sira ny fihaonana.
👉VAKINANKARATRA : Nidina nanara-maso ny tahan’ny ioda amin’ny sira amidin’ireo mpaninjara any amin’ny Distrikan’Antsirabe II ny I- team Vakinankaratra ny herinandro lasa teo. Ekipa nahitana ny avy amin’ny DRICC Vakinankaratra, ny DRS ary ny avy amin’ny ORN. Nisy arak’izany ny fakana singa tamin’ireo sira mba ahafahana mamantatra ireo tahana ioda. Tokony ho 15ppm hatramin’ny 60ppm no taha ekena raha eny anivon’ny mpaninjara.
👉MENABE : Namory ireo tompon’andraikitra any amin’ny Distrikan’i Belo sur Tsiribihina mahakasika ny tokony hanasiana ioda ireo sira amidy rehetra ny CRS (Komitim-paritra momba ny sira) any amin’ny Faritra Menabe tamin’ny herinandro teo. Nisy ihany koa ny fihaonana sy fanentanana ireo mpamokatra sira any an-toerana sy fitsidihana ny tanim-pamokarana sira. Anisan’ny mandrafitra ny CRS moa ny DRICC Menabe sy ny DRS.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...