Fanondranana lavanila: hanao adisisika mivantana any amin’ny Vaomiera Eoropeana isika tsy hampiharana ny fepetra mametra ny taha farany ambony azo ekena amin’ny fisian’ny nikotinina anaty lavanila

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra natao omaly Alarobia 2 Aogositra 2023 ny hanaovana ny dingana rehetra hanatonana ny Vaomiera Eoropeana hangatahana ny tsy fampiharana ny fepetra izay noraisin’izy ireo mametra ny taha farany ambony azo ekena (limites maximales réglementaires) amin’ny fisian’ny nikotinina ao anaty lavanila.
Tamin’ny alalan’ny fitsipika lf: 2023/377 tamin’ny 15 Febroary 2023 no nametraka an’io famerana ny taha farany ambony azo ekena io ny Vaomiera Eoropeana, momba ny singa sasantsasany ao anaty sakafo, tafiditra tao anatiny ny lavanila. Hita avy amin’ny voka-pitsirihana anefa fa ny 60% ny lavanila malagasy dia ahitana nikotinina mihoatra an’io taha farany ambony napetraky ny Vaomiera Eoropeana io, ka hametraka olana goavana raha mihatra io satria ahiana tsy ho azo aondrana any amin’ny tsena eoropeana intsony ny lavanila malagasy.
Ho an’ny Fanjakana Malagasy dia tsy azo ekena velively io fepetra io ka nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika hanaovana ny fomba rehetra tsy hampiharana azy. Ny zavatra tsapa dia tsy nisy fototra ara-tsiansa na arateknika mazava ny nandraisana ilay fepetra, ary tsy afaka naneho hevitra akory i Madagasikara tamin’ny alalan’ny solotenantsika eo anivon’ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny Varotra (OMC) talohan’ny nanapahana hevitra. Hisy « task force » avy hatrany hatsangana, ahitana ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ka hanao ny adisisika mivantana any amin’ny Vaomiera Eoropeana.

Vous aimerez aussi...