Fandraharahana manantona ny mponina ifotony

Maneho ny fahavononany ny vondron’ireo vehivavy mpandraharaha
Nandray ireo filohan’ny vondron’ny vehivavy mpandraharaha GFEM, FOM, EFOI tetsy Ambohidahy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, androany 23 septambra 2021.
Misy ireo tetik’asa azo faritana hiarahan’ny ministera sy ny mpandraharaha eto an-toerana. Hanome asa ny mponina ifotony izany no hanatsara ny farim-piainany ihany .
Tafiditra amin’ireo fandaharanasan’ny MICC ny fametrahana ny “zones pépinières” isaky ny tanàna izay mirefy 2000m2 ahafahan’ireo mpandraharaha vehivavy sy tanora mivelatra amin’ny fihariany ary koa mitrandraka ny akora sy vokatra eny ifotony.
Torak’izany ny fametrahana toerana voatokana ho an’ny fanodinana ara-indostrialy sy ny fametrahana faritra ara ekonomika manokana ( ZES) sy ny faritra hisandratana ara-toekarena ( ZEE) hiarahana amin’ireo mpiara-miombona antoka.
Fampandrosoana ny faritra rehetra eto Madagasikara no tanjona amin’ny fandraharahana manantona ny mponina any ifotony.
Vonona hatrany ny ministera hanohana ara-teknika ary hitan-tsoroka ireo vondron’ny mpandraharaha malagasy ary hanamora ny dingana rehetra ho lalovan’ireo mpandraharaha ireo.

Vous aimerez aussi...