Faritra Malalaka Ara-barotry ny Kaontinanta Afrikana

ZLECAf

Kononkononina ny paik’adim-pirenena momba ny ZLECAf
Nanasana ny avy amin’ny Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina ny Atrik’asa fakan-kevitra entina mamolavola ny paikadim-pirenena momba ny Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikana (ZLECAf) ny Zoma 19 Jolay 2024 lasa teo. Tanjon’ny atrik’asa ny fampahafantarana io tsena io ka andraisana sy andravonana ny hevitr’ireo voakasika amin’izany.
Alohan’ny idirana ao amin’io tsena malalaka io dia tsara ny miomana sahady amin’ny sedra mety ho hita sy ny tombotsoa rehetra azo amin’ny fisitrahana izany. Andrandraina amin’ny fidirana ao amin’ny ZLECAf ny fampiroboroboana ny fanondranana entana, ny varo-draharaha, ny fampiasam-bola, ny fahalalahana mivezivezy eto afrika.
Tsara, noho izany, ny fiarahana mandrafitra tetik’ady hananana vina mitovy amin’ny fiseharana ara-barotra kaontinantaly izay sehatra iray ahazoana mampiakatra ny harinkarem-pirenena faobe ho an’ny Madagasikara raha voatrandraka tsara.

Vous aimerez aussi...