Faritra Vakinankaratra: distrika faharoa nahazo Taninketsa Indostrialy i Faratsiho raha ny vaninandron’ny omaly Alakamisy 8 Jona 2023

“Tsy aritro mihitsy, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy, ny tsy handeha ho aty Faratsiho ka tsy maintsy tonga aho”. Ny vahoaka tany an-toerana ihany koa efa niandry ny fahatongavany hanolotra ny milina hampiroboroboana ny indostria isaky ny Distrika izany. Rehefa tsy tanteraka ny fifanatrehan’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka teny Tsimbazaza dia nihazakazaka namonjy an’i Faratsiho ny Minisitra misahana ny fampiroboroboana ny Indostria.

Omen-danja sy manana ny anjara asany tanteraka ny kaoperativa sy ny tantsaha ao anatin’ity tetik’asa ODOF ity. Vao maika manome lanja azy ireo ary mitondra fanatsarana eo amin’ny asan’izy ireo ny fanavaozana ny Lalàna misahana ny orinasa kaoperativa. Nankatoavina teo anivon’ny Antenimieram-pirenena izany lalàna mifehy ny orinasa kaoperativa izany tamin’ny Talata 06

Jona lasa teo. Mamela ny kaoperativa hanondrana entana malalaka fa tsy miandry mpanelanelana intsony io Lalàna io rehefa lany tanteraka eo anivon’ny Parlemanta.

Indostria manakaiky vahoaka no hapetraka amin’ny alalan’ny tetikasa ODOF ary tena indostria mipaka any amin’ny mponina ifotony. Ny Distrikan’I Faratsiho dia fantatra fa mamokatra ovy manodidina ny 99 000 taonina. Ity milina natolotra ho an’ny Distrikan’I Faratsiho ity dia manodina ovy hatramin’ny 100 kilao isan’ora ho lasa “chips”.

Ho mariky ny fampandrosoana maharitra sy iombonana hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria dia samy mahazo ny tombontsoany avokoa na ny tantsaha mpamboly, na ny mpandraharaha hanodina ny vokatra na ny Fanjakana.

Vous aimerez aussi...