Fiainana anatin’ny Ministera

dinika_anatiny
Nanokana iray andro nanamafisana fahaiza-manao, ny fahamarinam-pitantanana ary firaisankinan’ny mpiara-miasa ny MIC
Dinidinika ambany tafotrano no nentin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) nandrindrana ny raharaha anatiny sy anatsarana ny fahaiza-manaon’ireo tompon’andraikitra mpikambana ao amin’ny Staff. Tafavory tetsy amin’ny efitrano malalaky ny MEF Anosy avokoa ireo Talem-paritra rehetra sy ny eo anivon’ny Minisitera foibe ny Alatsinainy 05 Aogositra 2024, araka ny fiantsoan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy.
Nampahatsiahivina nandritra izany, amin’ny maha-mpiahy ny sehatra tsy miankina ny MIC, ny fihetsika sy fanao ahitam-pahombiazana izay ampitoviana ho an’ny mpiasan’ny Minisitera manerana ny firenena. Miainga amin’ny tsotra indrindra dia ny fihainoana sy ny fanohanana ny fandraharahana manaraka ny Lalàna izany.
Torohevitra no nomen’ny matihanina amin’ny fanaraha-maso ankapoben’ny Fanjakana ny mpiara-miasa ny amin’ny tokony hitandremana toy ny anakandriamaso ny fahamarinan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, ny volam-panjakana ary ny fitaovam-panjakana. Napetraka amin’ny toerany ireo tompon’andraikitra ambony amin’ny asam-panjakana noho ny fahaiza-manaony ka tokony ho mendrika.
Nisy koa ny fizaram-baovao nataon’ny mpandrindra ny Tetik’asa PTASO (Tetik’asa Fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana) ny dingana misy ny fanatanterahana ny Tetik’asa amin’izao fotoana izao. Tsy fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana ihany fa tombontsoan’ny faritra manodidina sy Madagasikara iray manontolo ny Tetik’asa PTASO.
Nahaliana ny mpandray anjara ny fanazavana sy fifanakalozan-kevitra tetsy Anosy omaly. Tsy vitan’ny fifampizarana traikefa fotsiny ihany fa nanamafisana ny firaisankinan’ny samy tompon’andraikitra mpiara-miasa eo anivon’ny MIC.

Vous aimerez aussi...