Fiaraha-miasa amin’ny JICA: Hampiroborobo ny fidiram-bolan’ny orinasa ny foma fandaminana asa “5S KAIZEN”

Nisy avy hatrany ny fampiharana taorian’ny fiofanana mikasika ny “5S KAIZEN” izay fomba fanatsarana ny fandaminana asa zarain’ny JICA amintsika malagasy. Tao amin’ny fitotoambarin’Andriamatoa Urbain, mpandraharaha ao Imerintsiatosika Faritra Itasy no nanaovana izany. Niova tanteraka ny orinasa nohon’ny pitsopitsony napetraka na amin’ny fandaminana na amin’ny fahaizana mifehy ny fotoana. “Hihena ny vola lany amin’ny fikojakojana satria anatin’ny fahadiovana. Mitombo ny faharetam-piainan’ny masinina ampiasaina. Inoana fa hampiroborobo ny fidiram-bola ao amin’ny orinasa izany”, hoy Andriamatoa Urbain.

Solontena avy amin’ny minisitera maromaro moa no nandray anjara tamin’ny fiofanana momba ny fomba “5S KAIZEN” tao amin’ny Le Pavé ny 15 hatramin’ny 17 Febroary 2023 ka anisan’ireny ny MICC.

Sary DRICC

 

Vous aimerez aussi...