Fiarovana ny mpanjifa

Entana simba sy lany daty mitentina 18 863 747 Ar tsy maintsy nodorana.
Tsy maintsy noraisina ny fepetra hisorohana ny loza mety hateraky ny fampiasana sy fihinanana ireo entana lany daty sy simba ireo. Karazan’entana miisa 91 izay ahitana kojakoja fampiasa ho amin’ny hatsaran-tarehy (produits cosmétiques) sy fanampin-tsakafo (compléments alimentaires), araka izany, no tsy maintsy nodorana ny Zoma 05 Jolay 2024. Nanatanteraka izany ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC).
Ny orinasa tompon’entana ihany no nanao ny fangatahana hamotehana izany ho fiarovana ny mpanjifa.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...