Fiarovana ny mpanjifa

𝗩𝗮𝗿𝘆 𝘀𝘁𝗼𝗰𝗸 𝟭𝟲𝟭 𝗴𝗼𝗻𝘆 𝘀𝘆 𝘃𝗮𝗿𝘆 𝗴𝗮𝘀𝘆 𝟰𝟬 𝗴𝗼𝗻𝘆 𝘀𝗶𝗺𝗯𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘃𝗮𝗸𝗶𝘀𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘀𝗮𝗺𝗯𝗼 𝗻𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗮𝘇𝘆 𝗻𝗼 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗶𝗻𝘁𝘀𝘆 𝗵𝗼 𝗽𝗼𝘁𝗲𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗠𝗮𝗵𝗮𝗺𝗯𝗼

Niainga avy any Toamasina ny Zoma lasa teo ity Sambo nitondra entam-barotra ity ka vaky teo anelanelan’i Foulpointe sy Mahambo. Niezaka nanatona ny morontsirak’i Mahambo izy ireo ka tody soa aman-tsara ny Alahady teo, tsy nisy ny aina nafoy fa ny entana no efa betsaka nariana tany anaty ranomasina. Maro ireo entana tao fa ny vary no entana mora simba hita.
Nampanaovina taratasy ny mpitondra ny sambo fa manaiky ny hamotehana tsy misy arakaraka ireo vary ireo ary mandray anjara amin’ny lany amin’ny famotehana izany .
Ireo entana hafa (ankoatry ny vary) sy ireo gonim-bary tsy nahitam-pahasimbana dia navela malalaka hiverina ao anatin’ny sambo satria efa vita ny fanamboarana fa miandry ny fahazoan-dalàna handeha avy amin’ny APMF vao miainga.
Nanatri-maso ny fandaminana rehetra nataon’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Analanjirofo ny delegen’ny boriborintany Mahambo sy ny avy amin’ny Zandarimaria ao an-toerana.

Vous aimerez aussi...