Fiarovana ny mpanjifa

Nangataka ny amoahan’ny Fitsarana didy ahafahana manapotika ireo vary simba any Toamasina ny Fitaleavam-paritra (DRICC)
Andrasana ny didy avy amin’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Toamasina dia irosoana ny fanapotehana an’ireo vary simba 3 kaontenera tratra tao amin’ny fanatobian’entana ao Tanandava Toamasina. Omaly Alatsinainy 8 Janoary 2024 moa no nidina ifotony nijery sy nandrakitra an-tsoratra ny zava-misy tao amin’ireo fanatobian’entana roa ireo ny vadintany.
Tamin’ity andro androany ity indray, rehefa natao ny fombafomba araka ny Lalàna, dia nanaiky ny hanapotehana ireo vary ireo ilay teratany pakistane tompon’ny vary.
Fepetra ho fiarovana ny mpanjifa izao noraisina izao fa ny famotorana momba ireo vary simba ireo mitohy ihany.

Vous aimerez aussi...