Fiarovana ny mpanjifa: hatao fitiliana eny amin’ny laboratoara ny singa avy amin’ny hena amidy eny an-tsena

Hidina eny an-tsena eto Antananarivo ireo mpanara-maso avy eto amin’ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) manomboka rahampitso Alarobia 10 Mey 2023 haka singa amin’ireo hena amidy eny amin’ny mpivarotra. Ho alefa avy hatrany hatao fitiliana any amin’ny laboratoaran’ny Rafitra mpanara-maso ara-pahasalamana ny hatsaran’ny sakafo (ACSQDA) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izany. Fepetra noraisina manolona ny filazana fa amidy eny an-tsena ny hena misy “formol”.

“Ny valin’ny fitiliana no ahafantarana raha misy formol ilay hena. Any amin’ny Zoma na Sabotsy any no hahazoana an’izany. Raha izay tokoa moa no mitranga dia tsy maintsy enjehina araka ny lalàna izay tompon’antoka tamin’izany satria fanapoizinana ny mpanjifa izany”, hoy ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) eto amin’ny MICC, Laurencia Razanadrakoto.

Manentana ny mpanjifa ny eo anivon’ny DPC raha misy ny trangan-javatra mampiahiahy mba hitoroka sy hanome vaovao ny tompon’andraikitra ahafahana mandray ny fepetra mifanandrify amin’izany. Toy izay koa ho an’ireo nahita ka nanely ny vaovao momba ny fisian’ny hena misy formol amidy eny an-tsena satria fandikan-dalàna koa ny fanelezana vaovao tsy marina.

Androany moa dia efa nidina nanao fanadihadiana teny amin’ny mpivaro-kena sy toeram-pamonoana omby teny Ankadindratombo ny mpanara-maso avy eto amin’ny MICC. Hatreto dia mbola tsy afaka manamarina na tsia ny fisian’ny hena misy formol izy ireo.

Vous aimerez aussi...