Fiarovana ny mpanjifa: ranom-boankazo CERES 200ml lany daty miisa 6645 nogiazana

Nidina ifotony avy hatrany nanao fisavana ny avy eo anivon’ny DPC (Foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny mpanjifa) eto amin’ny MICC raha vao naharay vaovao fa misy olona mitahiry entana lany daty izay ho amidy eny amin’iny faritra Namontana iny.

Tratra tao amin’ny tokantrano iray, araka izany, ny entana maromaro izay heverina fa ho amidy ka tao anatin’izany ny Ranom-boankazo CERES 200ml miisa 6645 izay lany daty ny 31 Mey 2023 lasa teo. Nogiazana avy hatrany moa ireto entana ireto hisoroana ny mety ho fiparitahany eny an-tsena mba ho fiarovana ny mpanjifa.

Sary DPC

Vous aimerez aussi...