Fifanakalozana ara-barotra: hitadiavana tsena any Comores ny vokatra avy any Itasy

Tontosa ny Zoma 25 Aogositra 2023 teo ny dinika savaranonando mikasika ny hametrahana ny toerana atsy Comores ahitana ny ireo vokatra avy any Itasy. Hatao izany hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny roa tonta. Eo koa ny tanjona hampiasana marina ireo rafitra sy ny soa fanararaotram-paritra toy ny ZLECAF sy ny COMESA ho tena tombontsoa iraisana.
Nanatrika izany ny Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Asa tanana atsy Comores sy ny Tompon’andraikitra momba ny Fampiasam-bola eo anivon’ny Masoivohon’i Comores eto amintsika. Nanotrona ny Tale jeneralin’ny Tetik’asan’ny Filohan’ny Repoblika, ny DRICC Itasy, ny Filohan’ny CCI Itasy sy ireo mpikambana maharitra.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...