Fifandraisana amin’ny any ivelany

Nisarika ny sain’ny Japoney hitodika amin’ny Tetik’asa ODOF ny Minisitra Edgard Razafindravahy
Mitovy ny lalan-tsaina momba ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fandraharahana teo amin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny Ambasadaoron’i Japon Abe Koji nandritra ny fifampiresahan’ny roa tonta androany Alarobia 24 Avrily 2024 tetsy Ambohidahy. Vonona hanampy ara-teknika ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) ny firenena japoney amin’ny alalan’ny fanohanana ireo kaoperativa sy ireo tantsaha eny ifotony ho fampandrosoana maharitra sy mahomby eo amin’ny seha-pihariany avy.
Novelabelarin’ny Minisitra tamin’ny ity diplomaty japoney ity ny dingana vitan’i Madagasaikara amin’ny fametrahana ireo Taninketsa Indostrialy. Distrika 51 amin’izao fotoana izao no efa nahazo milina fanodinana ny vokatra eny ifotony ho lasa entana mamaly ny filàn’ny mponina amin’ny fiainany andavanandro.
Hanamarihana izany fifanomezan-tanana eo amin’ny firenena roa tonta izany dia hiara-dia amin’ny Minisitra Edgard Razafindrahy ny avy ao amin’ny masoivoho japoney hidina eny ifotony hitsidika ireo Taninketsa Indostrialy.

Vous aimerez aussi...