Fihaonana tamin’ny iraka manokan’ny kaongresy amerikana sy ny filoha Andry RAJOELINA

?? ????? ???? – Anisan’ireo firenena dimy voalohany nanondrana betsaka indrindra tany Etazonia i Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2021. Voalohany amin’izany ny fanondranana lamba sy fitafiana. Nihaona tamin’ny iraka manokan’ny kaongresy amerikana izay manao tombana ny fiaraha-miasa eo anivon’ny AGOA izay indrindra ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA androany. Ny fiaraha-miasa ara-barotra eo anivon’ny AGOA dia mifanindran-dalana amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria izay anisan’ny andry iankinan’ny Politikam-pampandrosoana ankapoben’ny firenena.
Efa nametraka ireo fepetra entina manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Etazonia ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fanavaozana ireo didy aman-dalàna mikasika ny fampiasam-bola sy ny varotra ary ny tontolon’ny fandraharahana. « Mametraka fanantenana betsaka amin’i Madagasikara izahay » hoy Andriamatoa Jason Smith, izay nitarika ny Delegasiona

Vous aimerez aussi...