JIC 2019 Arivonimamo.

Mialohan’ny fotoam-pankalazana ny andro iraisam-pirenenea ho an’ny kaoperativa, izay natao tao amin’ny faritra Itasy, kaominina Arivonimamo, ny 11 sy ny 12 oktobra 2019 teo dia nisy ny atrikasa fifanankalozan-kevitra ho an’ireo mpikambana mivondrona ao anaty kaoperativa maro samihafa misy manerana ny faritr ’i Madagasikara nokarakarain’ny Minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny Asa tanana niaraka tamin’ny NCBA Clusa ny 9 sy ny 10 oktobra 2019 teo tao amin’ny kolejy JOHNSON Arivonimamo.
Nampitondraina ny loha-hevitra : “kaoperativa asa mendrika” ny andiany tamin’ity taona ity ka tsy nivoitra lavitra tamin’izany ny fifanankalozan-kefitra sy ny fifam-pizaraina traikefa natao. Teo ihany koa ny fampahafantarana, fanentanana sy fanohanana an’ireo fikambanana sy vondrona ifotony (associations et groupements de base) sy ny fikambanan’ny vehivavy tantsaha (organisation paysannes) ny anjara toeran’ny kaoperativa eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Nifampizara fahaiza-manao sy traikefa ny tsirairay nandritra ny atrikasa ary nijoro vavolom-belona tamin’ny fahombiazany ny kaoperativa DIARAIKY (mpamokatra sy manondrana voan-kazo…) avy ao Analanjirofo, ny COAGARI (manodina, mamokatra ketchup, ranom-boakazo…) avy ao Arivonimamo II, ny SOAVOLA (mpamokatra divay azo avy amin’ny voatabia) avy ao Imerintsiatosika ary ny TILAPIA de l’Est (mpiompy trondro) avy any Atsinanana.
Ankoatr’ireo dia nisy ny fandefasana horonan-tsary mikasika ny tontolon’ny kaoperativa eto Madagasikara nahafantarana ny fivoarany sy ny isan’izy ireo. Fa ny tena zava-dehibe dia ny fandinihana ny lalàna 99-004 momba azy io ho entina hanatsarana ny fomba fitantanana sy ny fananganana kaoperativa. Izany no natao dia hiainona ny feo ifotony hampiroboroboana ity sehatra ity

 

Vous aimerez aussi...